ADM Online
Qui somme nous ?

ADM Online est une ONG intervenant dans le domaine de l'informatique
et des TIC (technologies de l'information et de la communication) en vue de vulgariser ces outils pour le développement de Madagascar.
Promotion de l'utilisation de l'informatique et des Tic au sein de toutes les couches de la société pour un développement intégral et durable, ainsi l'Initiation des jeunes à l'outil Informatique et Internet

Suivez-nous sur Facebook

facebook

Teny Fanolorana

Iza moa ny Mpanoratra ?

ANDRIANALINALINA Nomena Tiana Fiononana, lehilahy teraka tamin’ny 16 Novembre 1985 tao Ambositra, manam-bady, taorian’ny fahazoako ny diplaoma momba ny tao-trano na BTP (Bâtiments et Travaux Publics) tao amin'ny IST-T (Institut Supérieur de Technologie d'Antananarivo), dia nandalina ny fitantanana sy ny Informatika tao amin’ny ECAS (Etude-Conseil-Audit-Supervision) aho, amin’izao fotoana izao aho dia sady mpanorina no Filohan’ny Komity Mpitantana ny ONG Appui pour le Développement de Madagascar (ADM)

Inona no tanjoko?

Ny hizara amin’ireo zandry sy zanaka Malagasy ny fahombiazako.

Inona no antony?

Mandroso be ny firenena aziatika, toy izany koa ny any Eoropa sy any Amerika na dia eo aza ny krizy, fa nahoana no tsy toy izany isika eto Madagasikara?

Fa inona no misy eto Madagasikara?

Sarotra ny fiainana, tsy misy ny fandriam-pahalemana, simba ny ankamaroan’ny seha-pihariana, tsy misy ny asa, tsy ampy ny vola ary rava ny tokantrano, efa nisy hatrizay izany saingy mihamavesatra hatrany nohon’ny adilahy politika misy eto amintsika ary dia maizina tanteraka ny ho avy, dia samy mimenomenona eny isika, fantaro anefa fa “ny resy no manilika andraikitra fa ny mpandresy kosa mahita vahaolana hatrany” (les perdants cherchent toujours des excuses mais les gagnants trouvent toujours des solutions).

Inona no vahaolana?

Ny fandrosoan’ny firenena anankiray dia miankina amin’ny fandrosoan’ny isan-tokantrano ao amin’izany firenena izany, izany no naharesy lahatra ahy nanangana ny ONG ADM ka hanarina ny fahantrana ara-toekarena sy ara-tsaina eny anivon’ny ankohonana avy hatrany, samy miaiky isika Malagasy fa manan-karena manam-pahaizana fa mahantra olo-marina sy tia tanindrazana kosa.Tsy sarotra ny mampandroso ny Malagasy fa ny fanovana ny toe-tsaina no manahirana, isika Malagasy mantsy tia ny miantra olona fa be fialonana ihany koa (gentil mais jaloux), ny fepetra takian’ny fahombiazana dia ny fananana ny toe-tsaina mendrika izay hitantsika ery amin’ny teny filamatra ery ambony, indrindra ny fahavononanao sy ny finiavanao hiala amin’ny toe-tsaina fantatrao fa tsy mahomby.